Hiverina any amin'ny bilaogy
Fanavaozana rindranasa FFSM
Misy fanavaozana vaovao!
Faly izahay mampahafantatra anao fa efa azo alaina eo amin'ny Google Play manomboka androany ny fanavaozana 1.0.0.9 amin'ny rindranasa FFSM.
Ity fanavaozana ity, dia novolavolaina hifanaraka amin’ny fampiasanao azy, izay mitondra zava-baovao sy fanatsarana maro.
✨ Ny zava-baovao:
- Raki-pitsidihana: Idiro indray ireo zavatra efa nojerenao.
- Endrika mazava / maizina: Ankafizo ny endrika mora amin'ny masonao, na andro na alina.
- Fampandrenesana araka ny safidinao: Mahazoa ny andinin-tsoratra masina androany sy ny fampahatsiahivana fandaharana araka ny safidinao.
- Fizarana amin'ny tambajotra sosialy: Zarao mivantana amin'ny tambajotra sosialinao ireo andinin-tsoratra tianao indrindra.
🔧 Fanitsiana sy fahombiazana
- Nohatsaraina ny hafainganan’ny fotoana fampiasana (20% haingana kokoa).
- Fanitsiana ireo olana (bugs) nolazain'ny mpampiasa (utilisateur).
- Nampitomboina ny fifanarahana amin'ireo fanavaozana Android farany.
📥 Ahoana ny azahoana ilay fanavaozana?
Mba hahazoanao tanteraka ireo fanatsarana ireo, ny tsara indrindra dia ny mamafa (désinstaller) ny dikan-teny taloha, avy eo mametraka indray (réinstaller) ny vaovao avy amin'ny Google Play Store (Android). Maimaim-poana tanteraka ihany ny rindranasa!
Misaotra anao amin'ny fanohananao. Enga anie ity fanavaozana vaovao ity hiaraka aminao isan'andro ao amin'ny finoanao.
🔗 Tohizo ny fifandraisana : https://soatanana.fffsm.app/mg/application