Ny fiovam-pon'i Rainisoalambo
Fiainana tao anatin'ny haizina
Teraka tokony ho 1839 tao Ambalavato Ambatoreny, i Rainisoalambo dia mpitandrina fananam-panjakana Betsileo nalaza tamin'ny fahaizany mandaha-teny. Saingy niaina tao anatin'ny haizina izy: ody, sikidy sy fanandroana, fa tsy nivavaka tamin'i Jehovah mihitsy.
Ny famangian'Andriamanitra
Tamin'ny 1893, novangian'Andriamanitra izy. Voan'ny fery, nilaozan'ny havany ary latsaka tao anatin'ny fahantrana, dia nitodika tamin'ny Andriamanitry ny Kristiana ihany izy: « Nahoana aho no mijaly toy izao ? »
Fanafahana sy fanasitranana
Tamin'iny alina iny, dia nandre izy: « Ialao ny fanompoan-tsampy ka mitodiha amiko, dia ho sitrana ianao. » Nankato izy, nopotehiny ny sampiny ary sitrana tanteraka. Avy eo nametra-tanana tamin'ny havany marary izy: roa ambin'ny folo no sitrana, telo ambin'ny folo niaraka taminy.